Ny mpampita fampianarana ao amin'ny Eglizy : ny Aban'ny Fiangonana atao hoe "Magistères" ; fa araka ny ampianaran'ny Papa François ao amin'ny katesiziny (laharana faha-29) manomana izao taon-jaobily lehibe izao, sady voalazan'ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika rahateo (KFK 2685-2690) dia manana adidy lehibe sady voalohany ny ray aman-dreny hampianatra mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

17 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17

Ny Eglizy ara-baiboly dia izay miorina eo amin'i Piera ihany, noho ny fahefana avy amin'i Jesoa Kristy, ka manana adidy hamehy sy hamaha hatrety an-tany ka hatrany an-danitra. Azo lazaina hoe fahefana "miendrika fanompoana" eo an-tanan'i Piera sy ny dimbiny. Ny Eglizy dia zava-dalina miafina ao amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Eglizy reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

16 desambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...