Ny kristiana dia izay matoky ny fitiavana lavorarin'ny Rainy, ka miaina ny maha zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin'ny fomba mbola tsy lavorary loatra aza. Fanomezana maimaimpoana ho an'ny mahantra ny fanjakàn'ny lanitra ka izay mieboebo ho manana ny ampy, fa tsy miantehitra amin'ny lovan'ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
Ny Misterin'ny Trinite Masina no Mistery foiben'ny finoana sy ny fiainana kristiana, Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana amin'ny fanambarany ny Tenany ho Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Andriamanitra Ray dia Mpahary, ny fahariana an'izao tontolo izao sy ny olombelona no voalohany nanambaran'Andriamanitra sy ho an'ny rehetra ny fitiavany mahefa ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco