Ny karazana fihetseham-po dia mety ho lasa vavaka, toy ny hoe fiderana, fangatahana tsotra, fifonanana ary mety ho fisaorana. Ny vavaka dia safidim-po, resaka tsy amin-taotra hifanaovana amin'Andriamanitra, hiresahana ny fiainana manontolo aminy. Ny vavaka atao miaraka amin'i Jesoa dia manaporo ny fifandraisana marina eo amintsika olombelona sy ny Fanahy Masina sy ny Ray Mpahary...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

18 ôktôbra 2024 — Masindahy Lioka, Evanjelista — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)

Ny fandinihana masina dia fiverenana amin'ny zavatra hita nandritra ny vakiteny, fandalinana lalina kokoa hahazo ny lahatsoratra. Fandinihana hidirana lalina kokoa amin'ny fahafantarana an'i Jesoa ihany koa ity voalaza ity. Manampy amin'ny fandinihana masina ny fametrahana fanontaniana amin'ny tena ; ohatra : inona no ambarany amiko...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

17 ôktôbra 2024 — Alakamsiy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...