Tsapa miharihary eo amin'ny fiainana kristiana fa arakaraky ny fanekentsika ny fahasoavana no hitombon'ny fahavononantsika hiatrika fisedrana. Mifikirà tanteraka amin'Andriamanitra fa ny fifikirana amin'Andriamanitra dia ahazoana fahasoavana vavaka. Ny fahasoavana no mampiray antsika amin'i Kristy sy mankahery antsika. Amin'ny alalan'ny fahasoavana no hanabeazan'ny Fanahy Masina antsika...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Tsy voatery ho amin'ny fiainana milamina no midera an'Andriamanitra fa amin'ny fiainana manontolo, mety misy mantsy ny fitsapana. Ny herim-panahy faherezana no ahafahana mandresy ny tahotra, eny fa na ny fahafatesana aza. Eo anatrehan'ny sarotra sy ny fahadisoam-panantenana dia ilaina ny mihira ny fanantenana toy ny nataon'i Jesoa, izay hira firavoravoana nataony ary koa vavaka...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

22 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...