24 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
Mora ve ny mivavaka ? Tsia, tsy mora ny mivavaka fa mitaky ezaka maro sy faharetana. Ny loharanon'ny vavaka : tsy miankina amin'ny zava-misy sy ny toerana ny fahafahana mivavaka. Izany hoe izay zavatra hitan'ny maso, ny tontolo hifaneraserana no ampiasaina ho lasa vavaka sy loharano ipoiran'ny vavaka. Ohatra : mpitarika sarety ve ianao? Ataovy sehatra hahaizana mitarika vavaka io... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
23 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)
Rehefa hivavaka dia misy mandrakariva ny toetra ilaina sy toetra takiana ; tahaka izay nolazain'i Jesoa hoe : raha mivavaka ianareo dia aza mila dera sy be lazao fa vavaky ny mpiahatsaravelatsihy ny filàn-dera. Ny toetra takiana sy ilaina raha hivavaka dia ny fanetren-tena. Ny toe-tsaina sy toe-po ilaina ho an'izay mivavaka dia fahatokiana sy tsy mivadika, fianteherana amim-panetre-tena sy an-kafaliana... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco