Zoma 27 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33 — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Ny fikambanana "ecovilllage de madagascar" dia mivohy ny tetikasa fambolena lovain-jafy. Fikambanana niorina tamin'ny taona 2014, misehatra amin'ny fampiofanana marolafy, fiankaviana 18 ankehitriny no mandrafitra azy. Sotoavina iainan'ny fikambanana: Fanajana ny tontolo iainana (tany...), fanajana ny maha-olona, fahaizana mizara. Tanjona : Fahavitan-tena ara-tsakafo miitatra amin'ny ara-toekarena sy ny fahasalamana...

♦ Judo, fiadiana tompon-dakan'i Afrika : hampiantrano ny lalao i Madagasikara ny 17 hatramin'ny 20 Desambra... ♦ Radio Fanasina Morondava : mankalaza ny faha-17 taonany... ♦ Diego Maradona : nanokana andro telo ho fisaonam-pirenena i Argentine...

♦ Velon-taraina amin'ny fisondrotry ny vidim-bary amin'izao fotoana izao ny mpanjifa... ♦ Misedra olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio ny mponina ao Fianarantsoa... Baolina kitra : Lavo ny andrarezina, nodimandry omaly teo amin'ny faha-60 taonany i Diego Armando Maradona...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...