• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...

Ny fivoarana ho  an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Namoahan'ny Praiministra vaovao toromarika tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara ireo ministra teo aloha sy tompon'andraikitra ambony, isaky ny Ministera... ♦ Mahazo vahana ny fitakiana fanoloana ny lehiben'ny fokontany tato ho ato. Tsy mahagaga raha misy ireny tranga ireny hoy ny KMF-Cnoe, noho ny tsindry tamin'ny vahoaka nialoha ny fifidianana farany teo... ♦ Namaly ny orinasa ADEMA ny Ravinal Airports izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-be androany momba ny ambara fa trosa tsy voaloa... ♦ Nahazo praiministra vaovao ny any Japon. Niantefan'ny safidin'ny maro an'isa teo anivon'ny antenimieram-pirenena Ramatoa Sanae Takaichi...

Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...