♦ Manao antso avo amin'ny fifanomezantanana, hamonjena ireo mponina ianjadian'ny kere any atsimo ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Novàna anarana ho Rovan'i Madagasikara ny Rovan'Antananarivo, 25 taona aty aoriana... ♦ Miisa 181 ireo tranganà fanolanana nanomboka ny voalohan'ny volana Janoary hatramin'ny faran'ny volana Oktobra teo...

Betsaka ny olona tratry ny fahatapahan'ny lalan-dra, tsy mifidy taona intsony ankehitriny. Misy karazany roa ny trangan'aretina mikasika lalan-dra: ♦Tsentsina ny lalan-dra any amin'ny faritry ny loha... ♦ 20% tapaka lalan-dra mihitsy...

Sabotsy 07 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Lioka 16, 9-15 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

♦ Novana anarana hoe: "Rovan'I Madagasikara" ny Rovan'Antananarivo, taorian'ny nanarenana ny lapan'i Manjakamiadana sy ny lapa Besakana... ♦ Mahaliana tanora maro ny hetsika "Carrefour de la Formation, des Métiers et de l'Emploi"... ♦ Afaka teo am-pelatanan'ireo naka ankeriny azy androany ny kardinaly Christian Tumi, arseveka émérite-n'i Douala any Cameroun...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...