♦ Mitaky ny fahalalahana maneho hevitra mba ahazoana vaovao marim-pototra ny hetsika ROHY na dia izay ambara fa fanakianana mivaivay indrindra aza... ♦ Tsy mbola vita ny ady amin'ny valan'aretina Coronavirus, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hametrahana fitaovana ahafahana manasa tanana amin'ny rano sy savony ireo toerana rehetra tsy ahitana rano nefa be mpandalo...
Talata 21 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7-15 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin"izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra no katsaho.
♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...
Alatsinainy 20 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco