2 febroary 2025 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Alahady 02 febroary 2025 : fankalazana manetriketrika ny nanolorana ny Tompo. Fanamasinana ny Jiro : Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao. Ity fotoana fankalazana ny nanolorana ny Tompo ity dia manamarika ny fotoana izay nankatoavan'i Jesoa ny lalàna ampahibemaso ary nitsena ireo vahoaka niandry Azy, eto ihany koa no fahataperan'ny andro fidiovana, araka ny lalàn'i Môizy, aorian'izay moa dia mandeha manolotra fanatitra ho an'ny Tompo. Ao amin'ny Fiangonana no toerana ahitantsika an'i Kristy sy hitsenantsika Azy. Ny fetin'ny Jiro masina dia manambara fahazavana izay famantarana an'i Kristy fahazavana...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco