♦ Olona iray indray androany no voaporofon'ny teo anivon'ny Institut Pasteur fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. 59 izany izao ireo olona voamarina ireo eto Madagasikara... ♦ Tapaky ny Filoham-pirenena sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny CCO Covid-19 fa hanaovana fandiovana faobe eny amin'ireo toerana nahitana ireo "cas contacts" na olona mitondra ny tsimok'aretina noho ny fifampikasohana...
♦ Hovatsiana tampim-bava iray isan-trano ny fianakaviana hoy ny Filoham-pirenena hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19 amin'ny alalan'ny fifaneraserana... ♦ Nihaino sy nanoro hevitra ireo tompon'andraikitra samihafa tany Mahajanga amin'ny ady atao amin'ny fihelezan'ny tsimok'aretina Coronavirsu ny Praiministra Ntsay Christian...
♦ Mitombo isa ireo olona teto an-toerana nifanerasera tamin'ny olona mitondra ny Coronavirus no nifindran'ny tsimok'aretina ihany koa... ♦ Hisy fivoriana lehibe iarahan'ny Filoham-pirenena amin'ireo sehatra maro samihafa ny 04 aprily izao hanapahana ny mety ho tohin'ny fepetra ampiharina isakanana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina...
 
 
											  
 
			Alakamisy 02 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 8, 51-59 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco