25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.

Manana adidy lehibe isika Kristianina manampy ny Eveka sy ny Pretra, ny Diakra mamonjy fanahy, mandray an-tanana mampandeha ny Fiangonana. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy ny tsirairay ka ireny no hampiasaina araka ny toro-lalana pastôraly. Samy miasa araka ny anjarany ny tsirairay miombona amin'i Kristy mba ho Fiangonana, hitombo... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

• Nidina ifotony nankahery ireo niharam-boina sy nidonam-pahoriana noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Ambositra androany, ny Minisitra efatra ao amin'ny Governemanta. Miisa 11 no maty hatramin'ny androany... • Noraisina tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ireo fiara lehibe fitateram-bahoaka na ny bus mandeha amin'ny herinaratra sy mandeha amin'ny gasoil. Miisa 12 ireo mandeha amin'ny herinaratra raha 30 kosa ireo bus mandeha amin'ny gasoil... • Notokanana androany teny Analakely ny tsangambato faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagsikara. Nisolotena ny Filohan'ny Repoblika tamin'ny fitokanana ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy...

♦ Olona 7 isa indray no matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo any Ambositra. Sakafo nohanin'ny fianakaviana noho ny hafaliana fahavitàna Kôminio Voalohany no nahatonga izao loza izao... ♦ Mpitandro ny filaminana 4.000 isa no hahetsika rahampitso mandritra ny fandefasana ny Afomanga etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Tsy ho latsak'izany koa ireo hanao hetsika eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao... ♦ Niaka-bidy indray ny lafarinina eto Madagasikara tato ho ato. Tafakatra any aho an'ny amin'ny 240.000Ariary ny iray gony amin'izao. Sarotra ny fahitàna lafarinina ho vidiana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...