Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Marary ny firenena. Miandry asa mivaingana ny rehetra manoloana izany. Isan'ny nivoitra tamin'ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny RARINY sy ny FIADANANA, manoloana ny fanamarihana ny iray volan'ny fihariana nanomboka androany... ♦ Nidina indray ny vidin'ny lasantsy sy ny gasoil eny amin'ny toby mpaninjara izany nanomboka androany voalohany volana septambra raha toa ka niakatra kosa ny solitany fandrehitra ; nihena 170 ariary/litatra ny gasoil... ♦ Hanomboka amin'ny alakamisy 4 septambra izao ny FIA hatao etsy amin'ny CCI Ivato. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana hoy ny tompon'andraikitra...
Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.
♦ Tontosa tao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny androm-pirenen'ny olon-dehibe andiany faharoa. Androm-pirenena nandritra ny telo andro nofaranana tamin'ny Sorona Masina fanirahana omaly. Afaka efa-taona indray ny andiany fahatelo... ♦ Noraisin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny fitsenana makotroka omaly ny Barean'i Madagasikara avy niatrika ny CHAN tatsy Kenya. Laharana faharoa tompon-daka lefitra tamin'ity taona ity ny Malagasy... ♦ Mankalaza ny faha-10 taona nijoroana ny hetsika ROHY. Tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana teny amin'ny FJKM Ambatonakanga no nanombohana ny fankalazana...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco