19 aprily — I Masindahy Léon IX dia papa teo anivon'ny Moyen-Âge. Bruno d'Eguisheim-Dagsburg no tena anarany ary teraka tao Eguisheim izy ny 21 jona 1002 ary maty tao Roma ny 19 aprily 1054. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana andriana tao Alsace i Bruno ary evekan'i Toul izy no notendren'ny amperora ho papa ka nankatoavin'ny mpitondra fivavahana tao Roma izany.

Noho ny Batemy noraisina, na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra na ny Relijiozy sy ny lahika dia vahoak'Andriamanitra, voaantso handray anjara amin'ny maha-mpisorona an'i Kristry. Raha vahoaka mpisorona ny vahoaka mandrafitra ny  atao hoe Eglizy dia miaina ny maha-mpisorona azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony samirery na miaraka isan'andro... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

19 avrily 2025 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy— Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 1-12)

• Nanamafy ny hanatanterahany ny hetsika ny avy amin'ny mpanohitra, manoloana ny fahatongavan'ireo vahiny hanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana... • Handray fepetra manokana ny mpitandro ny filaminana, mandritra ireo hetsika lehibe eto amin'ny firenena ny 23 sy 24 avrily 2025, araka ny tinapaky ny EMMONAT... • Tsy maintsy ho vita mialoha ny volana aogositra 2026, araka ny fe-potoana voafaritry ny lalana, ny fifidianana eo anivon'ny UCTU, hoy ny filohany...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...