♦ Nitondra fanazavana nitarika fahasorenana ho an'ny mpanao gazety ny Antenimeran-doholona. Valin-kafatra namaly bontana ny fanambaràn'ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara... ♦ Hanomboka anio alatsinainy amin'ny alalan'ny fivorian'ireo Fonksioneran'ny SADC sy tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny SADC ny fihaonana antampon'ny SADC, andiany faha-45, izay raisina eto Madagasikara... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Mauritanie ny alin'ny faha-3 aogositra, tao anatin'ny CHAN... ♦ Maherin'ny 1.000.000 ireo tanora niverina tany amin'ny tany niaviany, nombam-pifaliana, taorian'ny jôbilin'ny tanora tao Roma...

Rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cours de Justice (HCJ). Hatreto aloha dia mbola tena nampirimina any am-bata izy io. Notakiana sy notadiavin'ireo hery ivelan'ny fitondrana nifandimby fatratra anefa izany mba hitsikerana izay mpitondra am-perinasa, tany am-piandohana.

Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny fitiavana dia manentana sy fototra iorenan'ny repoblikan'i Madagasikara ankehitriny, porofon'izany ny fahitana io teny io amin'ny taratasy ampiasaina amin'ny sampandraharaham-panjakàna rehetra " Fitiavana - Tanindrazana - Fandrosoana " Raha tena hiainana sy hampanjakàna ny "fitiavana" dia azo antoka fa handroso tokoa i Madagasikara ; ny fitiavan-tanindrazana mitondra amin'ny fandrosoana...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...