♦ Hifarana anio tolak'andro amin'ny alalan'ny adina an-tsoratra amin'ny taranja ara-panatanjahantena ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny. Mbola hitohy amin'ny herinandro ho an'ireo mpiadina bakalôrea teknika... ♦ Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an'ireo mpianatra amin'ireo toeram-pampianarana miankina amin'ny Fanjakàna hoy ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Hisokatra ho an'ny mpampiasa lalana manomboka ny fiandohan'ny volana aogositra izao ny ampahany farany amin'ilay lalana "Voie rapide". Manomboka ety amin'ny Don Bosco Ivato hatrany Andranotapahina, izay mirefy 4km...
♦ Disadisa efa nihotrika teo amin'ny samy fianakaviana no nitarika ilay fety nitera-doza teny amin'ny sampanana Hihazo an'i Imerinkasinina-Ambohimalaza. Datura sy Belladone ireo zava-maniry nampiasaina ka nahafaty sy namparary ireo nahinana ny sakafo... ♦ Handalo fitsarana eny Anosy anio ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy maintsy hanao tatitra amin'ny vahoaka amin'izany didy hivoaka izany ny kandidà sy ny mpiaradia aminy... ♦ Hampidirin'ny Kaominina Antananarivo ao anatin'ny rafitra manara-dalàna amin'izay ny taxi-moto, miasa amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra...
♦ Nanao hetsika teny Anosy androany ireo manana ny maty, noho ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny poizina nahafaty ny havany izy ireo... ♦ Hatao rahampitso eny Anosy ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Mitombona ny porofo napetraka hoy ny kandidàn'ny mpanohitra, Frérot l'homme noir, androany... ♦ Misy amin'ireo mpiadina no namarana tanteraka ny fanadinana Bakalôrea androany. Samy nanan'ny filazany momba ireo laza adina niadinana tamin'ny ankapobeny, izy ireo... ♦ Nianjera tany atsinanan'i Rosia androany maraina ny fiaramanidina Antonov, nitondra olona 49...
♦ Hotanterahana ny 28 jolay hatramin'ny 01 aogositra izao ny herinandron'ny fampiroboroboana ny indostria. Tafiditra amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 ity hetsika ara-toekarena ity... ♦ Mihena ny voka-bary tamin'ny faritra maro tamin'ity taona ity, isan'izany ny tao amin'ny Faritra Vakinankaratra. Zara raha nahazo iray taonina ny tantsaha raha nampiakatra 5taonina isaky ny Hektara teo aloha... ♦ Nametraka andriamasom-pokonolona maharitra nomena ny anarana Voromahery ny ao amin'ny Kaominina Ankilimalinike-Toliara-II, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mihatra amin'ny mponina...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco