Tsy afa-misaraka amin'ny vavaka ny fampianaran'ny Apôstôly sy ny fiombonana ary ny Eokaristia. Manana ny anjara asany ny vavaka satria mampifandray ny Fiangonana amin'i Kristy Filohany. Niainga avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fampianaran'ny Apôstôly ; misy fifandraisana noho izany ny vavaka sy ny Tenin'Andriamanitra. Sady niombom-bavaka no niombom-pananana ireo kristiana voalohany. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

5 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

♦ Tsy tanteraka ny hetsika fotoam-bavaka sy fitsofan-drano ny kandidà Ben'ny Tanànana sy Mpanolotsaina avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara, izay nokasaina natao teny amin'ny Magro Behoririka androany... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa ny KIM Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, ny sabotsy 7 septambra 2024, eny amin'ny Kianjan'Antsahamanitra... ♦ Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara ny seha-pihariana lohamenaka. Antony namolavolana ny tetikasa ARCHE, izay nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Ankorondrano...

♦ Mbola mitaky hatrany ny hisian'ny mangarahara amin'ny vola ampiasaina amin'ny fifidianana ny antoko Humaniste Ecologiste. Antoka iray hamantarana sy hifidianan'ny olom-pirenena ny foto-kevitra izany hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay... ♦ Miatrika ny JMJ Diôsezy, andiany faharoa, nanomboka androany hatramin'ny alahady ho avy izao ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Mandray izany ny ao Farafangàna renivohitry ny Diôsezy... ♦ Noafahan'ny fitsaraàna noho ny fisalasalàna ilay olona ambara fa jiolahy nitifitra ilay mpamily fiara karetsaka teny Ankadindratombo, kaominina Alasora ka nahafaty azy ny 26 jolay 2023. Nivoaka omaly teny Anosy ny didim-pitsarana momba iny raharaha iny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...