• Tombanana hikasika ny morotsiraka afovoany atsinanan'ny nosy rahampitso, ilay andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mampihatra ny loza manambana miloko mavo nanomboka omaly ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana ary ny Distrikan'Antalaha...
  • Hosantarina anio ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny fizarana ny masomboly “riz hybride”, fiaraha-miasa amin'ny Governemanta Sinoa...
  • Nosakanan'ny mpitandro ny filaminana indray ny fivoriana saika notanterahan'ny Hery Politika Mitambatra (HPM), tao amin'ny Motel Anosy ny sabotsy teo. Tsy fahazoana lalana amin'ny Péfet no antony...

Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.

Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 5, 1-4)

Pretra toa azy koa aho ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy.

Ry malala,
mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho,
dia izaho izay Pretra toa azy koa,
sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy,
ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo;
aoka ianareo hitandrina azy ireo,
tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra;
tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy,
fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry,
dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!

Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!

Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.
na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)

Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...