Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Hanokafana fanadihadiana ilay tranga nahafatesana miaramila telo nandritra ny filatsahana an'elonaina tany Arivonimamo. Hosokafana ny vaomiera itambarana miaraka amin'ny tafika frantsay, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... • Mpiasa 600 amin'izao no efa voaroaka, noho ny fatiantok'ireo orinasa eto amintsika mandefa entana any Etazonia, vokatry ny fiakaran'ny haban-tseranana ho 15 %, araka ny tatitry ny Randrana Sendikaly... • Mpilaloa fito avy eto an-toerana, hanao lalao famaranan'ny CHAN, no nantsoin'i Corentin Martins hanatevina ny Barea A, hiatrehana ny fifanintsanana Mondial 2026 amin'ny volana septambra. Nivoaka androany ny lisitra ofisialy mirakitra izany...

♦ Nidinika ny momba ny ezaka fampandrosoana isam-paritra sy nifampizara traik'efa tany Mahajanga ny governora eran'ny nosy tamin'ity herinandro ity. Governora 18 amin'ireo 23 no nanatrika ny fihaonana tao an-drenivohitry ny Faritra Boeny... ♦ Nahavita ny androm-pirenen'ny ankizy andiany voalohany ny tao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Fahombiazana no azo nandritry izay hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Hanamaivana ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra ho an'ny fianakaviana sahirana ao aminy ny kaominina Ambohidratrimo. Manohana ny mponina tsy an'asa amin'ny tetik'asa fiompiana akoho ny kaominina araky ny fanazavan'ny sekretera jeneraliny...

♦ Miatrika fivoriambe nasiônaly eny Itaosy amin'ity herinandro ity, ny OPM eto Madagasikara... ♦ Namoizana manam-boninahitra miisa telo avy amin'ny foloalindahy malagasy omaly ny filatsahana an'elon'aina nataon'izy ireo tany Arivonimamo izay natao hakàna ny Brevet momba izany. Filatsahana amin'ny elon'aina niarahana tamin'ny tafika frantsay... ♦ Olona miisa 27 avy amin'ny fianakaviana maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Antsiranana. Efa nandray ny andraikiny ny tompon'andraikitra any an-toerana... ♦ Ankizy miisa roa no maty tany Etazonia vokatry ny tifitra nataonà lehilahy iray tao amin'ny Eglizy katôlika tao Minneapolis...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...