♦ Manavao ilay toro-lalana efa novolavolaina tamin'ny taona 2019 ampahafantarana ny ady sy fifanolanana rehetra mety hitranga amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny SAFIDY... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny vola mivoaka eo anivon'ny orinasa JIRAMA ny fanaramàna an'i RON WEISS, ho tale jeneralin'ity orinasa ity... ♦ Nahazo ny amboara FAIR-PLAY teo amin'ny taranja baolina kitra ny Radio Don Bosco tamin'nyy tournoi Inter-Média 2024... ♦ Nifarana ny dinika hikatsaham-bahaolana eo amin'ny adin'i Israely sy ny Hamas izay natao tany Egypte, notarihan'i Egypte sy Qatar. Mitaky ny hialan'ny tafika Israeliana any Gaza ny Hamas...
Ny fitondrana vohoka dia lalana ara-boajanahary hanohizana ny famindrana aina eo amin'ny olombelona vokatry ny fihaonan'ny tsirinaina lahy sy vavy. Ilàna fahavononana ny fitondrana vohoka izany hoe ara-tsaina, ara-batana. Raha vao tonga fotoana ny tovovavy dia afaka mitondra vohoka na tsy mbola tomombana aza ny taova rehetra, izay ilay atao hoe tanora miteraka aloha loatra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
6 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)
Fototry ny safidy ny hatsaram-panahy. Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco