Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

1 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

♦ Niantsy Lehiben'ny Distrika imasom-bahoaka indray ny olom-boafidy iray tany Mahajanga, tao aorian'ilay tranga tany Fianarantsoa. Tsy niandry ela fa naneho hevitra ny sendikàn'ny Andministrateurs civils... ♦ Mbola tsy voatendry ihany izay ho PDS hitantana an'Antananarivo Renivohitra. Mety tsy manana olona ny fitondrana, na tsy laharam-pahamehana ho azy ireo Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Maherin'ny 16.000 ny kapila mangirana hosoka, nogiazan'ny Brigade Anti-Piratage, nandritra ny taona 2023. Olona 86 no tratra nanao izany ary efa natolotra ny fampanoavana...

♦ Maro amin'ireo solombavambahoaka amperin'asa amin'izao fotoana izao no mbola hirotsaka ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao. Isan'izany ny solombavambahoakan'i Betroka sy Vohipeno... ♦ Nametraka fototra tsara ho an'ny fampandrosoana ny tanàna an'Antananarivo ny ben'ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina hoy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana. Tanteraka avokoa ny 86 tamin'ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny filan-kevitry ny tanàna miisa 128... ♦ Handray anjara amin'ny dinika ara-diplômasia ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana hatao any Turquie ny delegasiôna Malagasy hotarihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...