25 febroary 2024 — Alahady Faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-9)

♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...

♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...

Anisan'ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana toaka ihany ko a ny familiana ny rariny ananan'ny hafa fa indrindra ny madinika. Mahatonga fisarahana amin'Andriamanitra ny fisotroana toaka satria lasa tsy mahita fotoana andehanana mivavaka intsony na tsy manisy lanjany ara-panahy intsony ilay olona, nefa tsarovy fa rehefa misotro toaka dia manazimba ny tranon'Andriamanitra, izay ny tenantsika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...