♦ Hihaona mivantana eny Tsimbazaza ny alakamisy sy ny zoma izao ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny governemanta. Fihaonana izay heverina fa hampafàna ny raharahm-pirenena amin'ity herinandro ity... ♦ Tsy nahitam-bokany ny fitakian'ny Fisemare ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ireo sendikalista roa, nampidirina am-ponja any Toamasina. Naneho ny alahelony ny faran'ny herinandro teo ity Sendikà ity... ♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Kianja 6 no handray ny fanadinana hatrehan'ireo mpiadina maherin'ny 40.000...

10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.

Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...