Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)
Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10
Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.
Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:‘Mifona aho’,
dia mamelà azy.”
Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:
“Ampitomboy ny finoanay.”
Fa hoy ny Tompo:
“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,dia hanaiky anareo izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Andrasana anio ny fanambarana nandritra ny fampihaonan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM tamin'ireo solotenan'ny kandidà teny Tsimbazaza omaly... ♦ Manameloka ny herisetra ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ireo manao fihetsiketsehana am-pilaminana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ary miantso ny hampitsaharana izany. Tsy ara-dalàna ihany koa hoy izy ny fisamborana solombavambahoaka anatin'ny fivoriana ara-potoana... ♦ Tsy misy afatsy ny fananganana ny fanjakana malagasy vaovao no lalan-tokana mahasoa sy mahatsara ny tanindrazana hoy ny Antenimieran'ny raiamandreny ny Foko Malagasy na ny ARFM...
Reharehan'Israely, vahoaka voafidy, ny fananany Andriamanitra tsy lavitra fa mandray anjara lehibe amin'ny fiainan'izy ireo araka ny hita ao amin'ny DT 4,7 : " fa iza tokoa moa ny firenen-dehibe hanana Andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanintsika isaky ny iantsoantsika Azy?" Ny tantaram-pamonjena dia nanomboka tamin'i Abrahama Rain'ny mpino. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
9 nôvambra 2023 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fankalazana — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco