♦ Andro natokan'ny Papa François hanentanana ireo mpino rehetra maneran-tany hivavaka ho an'ny fandiam-pahalemana, ny anio zoma. Manamafy izay antso izay ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Miandry ny valintenin'ny Préfet an'Antananarivo amin'ny fangatahana ny Coliseum Antsonjombe, ny vondron'ireo kandidà; izy ireo izay mbola hanohy ny diabe am-pilaminana eny Ambohitrarahaba anio... ♦ Diso hevitra ireo izay mitaky ny hanovana ny Governemanta ankehitriny, izay tsy mpikarakara ny fifidianana, hoy ny Minisitra Pierre Houlder...

Lasa toe-tsaina raikitra ao amin'ny olombelona ny kolontsaina finaritra mampiavosa fako. Miantraika amin'ireo olona voailika ho eny anjorombala na amin'ny zava-boahary izany, hoy ny Papa ary ireo indray aza no zary fakofako. Sarotra amintsika ny miaiky hoy ny Papa fa tsara alain-tahaka ny firindran'ny tontolo voajanahary iray rafitra (ecosystème): fisian'ny tsingerina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

27 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

♦ Mbola nanohy ny diabe am-pilaminana fanaony androany, ny vondron'ireo kandidà 10. Tahotra ny hifaninana sy tsy vonona hiatrika ny fifidianana izy ireo, hoy ny kandidà Andry Rajoelina, namaly izany... ♦ Nitokona ary namelatra sora-baventy androany, ny mpiasan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Miantso ny Filohan'ity Andrim-panjakana mpanao lalàna ity, izy ireo, mba handray andraikitra, hitarika ny dinika an-databatra boribory... ♦ Nakatona ny vavahadin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, raha saika hitarika fitokonana ny sendikàn'ny mpiasa...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...