♦ Nahazo Vikera Jeneraly miisa roa ny Diôsezin'Antananarivo. Mômpera hatrany, no iantsoana azy ireo amin'izao fanendrena azy ireo izao... ♦ Tsy noraisin'ny HCC ny fitoriana napetraky ny kandidà miisa 11, ny 22 septambra lasa teo, mitaky ny hanafoanana ny fanapahana navoakan'ny HCC ny 9 septambra 2023... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana niarahan'ny FFKM sy ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ny takariva teo, ny solontenan'ny kandidà laharana faha-3...

♦ Hisy iraky ny Firenena Mikambana ho avy eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, hanara-maso ny zotram-pifidinana. Andrasana ny mety hisian'ny fihaonan'izy ireo amin'ny mpisehatra pôlitika, hiresahana ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Miaka-bidy indray ny vary eny an-tsena, indrindra ny eto Antananarivo amin'izao. Tsy vary vokarina eto an-toerana ihany no nisondro-bidy fa ny vary Stock ihany koa hoy ny tatitry ny mpiaro ny zon'ny Mpanjifa PMH... ♦ Nahafatesan'olona miisa 6, ny fifampitifirana teo amin'ny dahalo mpangalatra omby sy ny Fokonolona nampian'ny Zandary tany Andohan'Ilakaka. Rava tamin'izao fifandonana izao ny fikasan'ireo dahalo saika hangalatra omby 73 isa...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria mpaminany (Zak. 2, 5-9a. 14-15a)

Indro tamy Aho ary honina eo afovoanao.

Nanopy ny masoko aho, ka nahita:
ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
Dia hoy aho:

“Ho aiza ianao?”

Ary hoy izy tamiko:

“Handrefy an’i Jerosalema
hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.”

Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko,
sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;
ka hoy izy taminy hoe:

“Mandehàna faingana,
milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe:
Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema,
fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
Ary Izaho,
— teny marin’ny Tompo —
no ho manda afo manodidina azy
sy hahazo voninahitra eo afovoany.
Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin’i Siôna,
fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao,
— teny marin’ny Tompo —.
Amin’izany andro izany,
maro ny firenena hiraiki-po amin’ny Tompo,
ka ho vahoakako izy ireo;
ary Izaho honina ao afovoanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13

Ny Tompo miandry antsika toy ny mpiambina miambina ny ondry.

Henoy, ry firenena, ny tenin’ny Tompo,
ampandreneso ny Nosy any lavitra!
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy.
Ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo
eny amin’ny havoan’i Siôna,
hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo: ny vary sy divay,
diloilo, zanak’omby aman’ondry!

Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana,
hafaliana no hatambiko ny fahoriany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra,
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao,
satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona.”

Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany,
fa takona taminy ka tsy fantany,
sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’Akjea Mpaminany (Akjea 1, 15b — 2, 1-9)

Tsy ho ela dia hofenoiko voninahitra itý Trano itý.

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa,
tamin’ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon’ny volana,
tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

“Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà,
sy amin’i Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe,
ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
Iza aminareo sisa velona,
no nahita itý trano itý tanatin’ny voninahiny taloha,
sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?
Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va itý?
Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela
— teny marin’ny Tompo —.
Matokia, ry Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe.
Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany
— teny marin’ny Tompo —,
ary miasà! fa momba anareo Aho,
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,
fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;
ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko;
koa aza matahotra akory.
Fa izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,
no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany,
mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
Hanozongozona ny firenena rehetra Aho
ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;
ary hofenoiko voninahitra itý trano itý,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Ho lehibe ny voninahitr’itý Trano itý,
ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;
ary eto amin’itý fitoerana itý no hametrahako ny fiadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 42, 1-2. 3. 4

Matokia an’Andriamanitra: izaho mbola hidera Azy. Izy no Mpamonjy Ahy sy Andriamanitro.

Omeo rariny aho, ry Andriamanitra,
iandanio manohitra ny firenena tsy mpivavaka!
Afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy,
fa Ianao no Andriamanitra mandako!
Ahoana aho no mijoretra asiam-pahavalo?

Ny hazavana sy fahamarinanao alefa
hitarika ahy ka hahatonga
hatrany am-Bohitrao masina,
hatrany amin’ny Fonenanao.

Hankeo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
eo amin’ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
ka hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 18-22)

Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa
ka teo aminy koa ny mpianany,
dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?”

Ary namaly ireo ka nanao hoe:

“Ny sasany manao hoe:
i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia,
ary ny sasany manao hoe:
ny anankiray amin’ny mpaminany taloha
no nitsangan-ko velona.”

“Fa ianareo kosa, hoy Izy,
mba manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao hoe:

“I Kristin’Andriamanitra.”

Nefa norarany mafy izy ireo
mba tsy hilazalaza izany amin’olona,
sady nampiany hoe:

“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...