♦ Hotanterahina ny 27 aogositra 2023 ny andron'ny Diosezin'Antananarivo... ♦ Katesista miisa 315 no tonga niofana teny amin'ny foibe FTMTK Ambohipo nanomboka ny 10 jolay 2023, ho fanamafisana ny fahaiza-manao... ♦ Raha mamono ny konsiansa isika dia mamono ny Fanahin'Andriamanitra, hoy i Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja...
Voarafitra ankehitriny ny Paik'adim-pirenena ho an'ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR faharoa. Natolotra ny alatsinainy 10 jolay 2023 teny amin'ny Hotel Carlton Anosy ny paik'adim-pirenena 2023 hatramin'ny 2035 taorian'ny fankatoavan'ireo mpisehtra. Tamin'ny alalan'ny atrik'asa no nanolorana izany mba ahafahan'ny mpisehatra rehetra mahafantatra ny votoatiny sy tanjona kendrena aminy...
♦ Mbola mitana ny teny nomeny amin'ny handraisany anjara amin'ny fifidianana, Andriamatoa Paraina Auguste, na dia nambarany aza fa fanilihana ny mpanohitra ny fampakarana ny anto-bola ho an'ireo kandidà... ♦ Tsy afa-po tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana, ho an'ilay olona nively tavoahangy azy, i Rado Djo, mpiasan'ny onjam-peo tsy miankina... ♦ Marolafy ireo asa fampandrosoana an-dalam-panamboarana ao Imerintsiatosika. Volan'ny Kaominina madiodio avokoa no hanatanterahana izany...
Boky Eksaody (Eks. 14, 21 — 15, 1)
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina,
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:
“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro,
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano,
dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.
Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Hoy izy:
“Hihira ho an’ny Tompo aho,
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,
niangona niavosa ny rano,
niantsavovona ny onjan-drano,
raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra,
dia hizara babo aho.
Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.
Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy,
ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Naninjitra ny tananao havanana ianao,
dia nitelina an’ireny ny tany.
Hitondra sy hamponina azy Ianao
eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,
dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô!
Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)
lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano,
mitady Anao.”
Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:
“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”
Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco