♦ Hanamafy ny paikady hanamafisana ny fiarovana ny ain'ny mpanao gazety ny OJM. Hisy noho izany ny fihaonan'ny Olafitra amin'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Nandray ny toerany ny tale jeneraly vaovao eo anivon'ny CNaPs Rahaingonjatovo Vimbina. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny tale jeneraly mpisolo toerana... ♦ Nanamafy Maître Rôrô fa hanao ny ezaka mba handrombahan'i Madagasikara ny medaly volamena mandritra ny lalaon'ny nosy. Efa 30 taona mantsy no tsy nisitrahana izany... ♦ Isan'ny handray anjara amin'ny fihaonana an-tampony handinihan'ny CEDEAO ny raharaha ao Niger rahampitso ny solontena manokana avy amin'ny vondrona eoropeana...

Ny asa dia voaresaka im-betsaka ao anatin'ny Baiboly indrindra fa ao anatin'ny Evanjely, ohatra amin'izany ny hoe "i Jesoa zanaky ny  mpandrafitra" izany hoe nanana ny asany i Joseph. I Jesoa dia mpandrafitra tahaka ny rainy, niara-niasa amin'ny rainy ny zanaky ny Jody. Nanafitohana ny olona sasany ny fahagagana nataon'i Jesoa ary niaran'ny fanambaniana ny asan'ny mpandrafitra tamin'izany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

♦ Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo amin'ny Tale Jeneraly mpisolo toerana teo aloha tao amin'ny CNaPS, Ramatoa Tsaboto Joslina sy ny Tale Jeneraly vaovao... ♦ Nanoratra taratasy any amin'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoran'afo, ny fikambanan'ireo mpitatitra misehatra amin'ny akoran'afo na ny APTH. Nitaraina noho ny tsy fanajan'ny orinasa JIRAMA ny anjara andraikiny amin'ny fandoavana ny volan'izy ireo... ♦ Vonona ary sahy hifaninana amin'ny fifidianana ho avy eo, ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...