♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Arsidiôsezin'Antananarivo ; notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka... ♦ 50 taona katroka omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa vaovao, na ilay Accord de coopération, nifanaovan'ny Fitondrana Malagasy sy ny Fanjakana Frantsay, izay tena nametraka ny tena fahaleovan-tenan'i Madagasikara, tao aorian'ny nambara tamin'ny 1960... ♦ Heverina ho voavaha amin'ny alakamisy na zoma ho avy izao ny "délestage" nisy teo amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo, hoy ny teo anivon'ny Jirama...

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...

♦ Nalain'ny mpitandro filaminana tao an-tranony androany maraina i Doris Rakoto Samuel, vadin'i Mahery Lanto Manandafy na i Malama... ♦ Ho entina amin'izao vaovao izao koa fa mbola tsy mitovy hevitra amin'ny fidirana indray ao anaty tetezamita ireo mpanao pôlitika... ♦ Manampy ireo tanora hitantana ny fako ao an-drenivohitra ny CRS Madagascar... ♦ Any ivelany : Olana ara-teknika tamin'ny fitaovana fanoroan-dalana ireo fiaran-dalam-by no nitarika loza namoizana ain'olona an-jatony tany Inde...

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...