"Tsy ampy ny mitady elanelam-panahy hampifandraisana ny fiarovana ny voahary sy ny tombontsoa ara-bola, na koa ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana. Mikasika izany, ny fisian’ny elanelam-panahy dia manemotra kely foana ny fotoana hingadonan’ny faharavana. Ny tsy maintsy atao fotsiny dia ny mamaritra izay atao hoe fandrosoana. Ny fivoarana ara-teknolojia sy ara-toekarena izay tsy mamela tontolo tsara kokoa sy hatsaran’ny lafim-piainana rehetra hiakatra ambony kokoa dia tsy azo heverina ho fandrosoana"(LS 194). Fandaharana "miaina sy mitia"

♦ Hotanterahana anio, eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ny Fetim-pirenena... ♦ Andrasana anio, ny fampakarana fampanoavana an'i Nambinina Raherimampianina, izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihan'i Doris Rakoto Samuel teny Analakely, ny alarobia teo... ♦ Mbola manamafy ny ahiahiny amin'ny mety hisian'ny krizy eto amin'ny firenena, ny antoko UNDD...

Fadio ny toe-tsaina te hampirisika ny hafa fotsiny sy ry toe-tsaina tsy te hiraharaha ; Indraidray tokoa isika manana fo te hanampy ny hafa nefa tsy te hosasatra eo amin’ny fiainana ka tratrany atao hoe fiatsarambelatsihy : faly midera sy mamporisika ny hafa nefa tsy te handray anjara fanampiana amin’ny hafa. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

2 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...