Bokin’i Siràka (Ekl 42, 15-25)
Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo,
ary hotorìko izay hitako.
Ny tenin’ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra.
Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra;
asan’ny Tompo, feno ny voninahiny izy.
Ny olo-masiny dia tsy nataon’ny Tompo
mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany,
izay naorin’ny Tompo Tsitoha mafy,
mba ho mafy orina izao tontolo izao amin’ny voninahiny.
Tsapainy ny halalin’ny ranomasina sy ny fon’ny olombelona;
ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra.
Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo;
ary hitany ny famantaram-potoana.
Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy,
ary mampiharihary ny dian’ny zava-miafina.
Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona Azy.
Noravahany ny asa lehiben’ny fahendreny:
talohan’ny taona rehetra Izy,
ary haharitra mandrakizay;
tsy nampiana na inona na inona ny tenany,
tsy nanesorana na inona na inona
ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy.
Endrey, ny hatsaran-tarehin’ny asany rehetra!
ary izay banjinin’ny olona amin’ireny anefa
dia kilalaon’afo fotsiny.
Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay,
ho amin’izay rehetra ilàna azy;
ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra.
Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin’ny iray,
ary tsy nisy nataony mankamin’ny faharavana.
Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran’ny anankiray:
iza no mety ho afa-po amin’ny fijerena ny Voninahitry ny Tompo?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny rehetra: ny fofon’ain’ny vavany.
Ny ranon’ny ranomasina nangoniny anaty siny;
ny hantsam-be nataony anaty fahi-drano.
Ry tany tontolo matahora ny Tompo;
mangovita ny mponina amin’izao rehetra izao:
fa teniny dia vita;
didiny, dia tafajoro!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo,
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”
Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko.”
Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe
“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”
Dia nariany ny lambany,
ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Dia hoy ilay jamba:
“Rabony ô,
aoka mba hahiratra aho.”
Ary hoy i Jesoa:
“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny tanora manoloana ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisanan'ny mpiara-belona : misy ny loza manambana, mitatao, efa mihatra mihitsy aza. Betsaka ny tanora no roboka amin'ny vela-pandrika aroson'ny olona ao amin'ny fitaovam-pifandraisana toy farotra zava-mahadomelina. Ny tanjon'ireo mpamorona ny fitaovam-pifandraisana dia ny handresy lahatra ny maro amin'ny endrika maro lafy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
25 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)
♦ Nilaza ny Praiminisitra androany fa tsy manana eritreritra ny hanova ny làlam-pifidianana, na eo aza ny fitakian'ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana ny antoko MMM androany, nilaza fa mandika ny làlana laharana 2018-008, momba ny fifidianana ny CENI. Tsy mipetraka, hoy ny antoko, ny finiavana hametraka ny mangarahara sy hanaja ny làlana mandritra izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao... ♦ Miverina indray ny fisiana solika mitapoka eto amintsika, raha ireo vaovao samihafa, nivoaka tato ho ato. Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco