Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

♦ Tsipahan'ny KMF/Cnoe ny fisian'ny tolo-dàlana vaovao hanitsiana ny làlam-pifidianana. Tsy mahasolo tena ny vahoaka ireo namolavola io tolo-dàlana io, fa fakan-kevitra isam-paritra no tokony ho natao... ♦ Nomelohin'ny Fitsarana hiasa an-terivozona 7 taona, Ramatoa Raissa Razaivola. Niteny ampahibemaso izy androany, fa noterena handiso ny zavatra nolazainy, momba ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko... ♦ Voatazona ho 285.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly fa mamono mpiasa malagasy izany...

♦ Niarahaba ny Filoham-pirenena tamin'ny anaranan'ny governemanta Malagasy omaly ny Praiministra Ntsay Christian, tamin'ny nahavoahosotra azy ho "Mpanorina lehibe aty Afrika" ka nahazoany ny loka "Babacar Ndiaye"...  ♦ Tanora miisa 4.000 no ho raisina hilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tafika Malagasy amin'ity taona ity, ka fifanarahana mandritra ny 2 taona no atao, manomboka amin'ny voalohan'y volana aogositra izao... ♦ Miantraika mivantana amin'ny mponina any amin'ny Faritra atsimo atsinanana ny fiovaovan'ny toetr'andro. Taorian'ny ranobe tamin'ny rivo-doza dia mananontanona indray izao ny hain-tany... ♦ Tany Rosia, nisy "drone" tsy fantatra nalefa sy napoaka ka niteraka firehetana tao amin'ny toeram-pandiovana solika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...