♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...

♦ Tsy misy ny antoka milaza fa mampangarahara ny lisitry ny mpifidy ny fanaovana “audit” ataon'ny CENI amin'izao, hoy ny Federasiônn'ny Gadra pôlitika... ♦ Tapaka vonjimaika, tsy azo aleha ny Lalam-pirenena faha-7, mandalo any Behenjy, noho ny tondra-drano, nateraky ny fiavian'ny orana naharitra alina. Niakatra 1 metatra ambonin'ny arabe ny rano any an-toerana... ♦ Hita ilay zazavavy varira, rehefa nisy naka an-keriny, nandritra ny iray volana sy 10 andro, tany Taolagnaro. Nokasain'ireo mpaka an-keriny hamidy 150 tapitrisa Ariary, amin'izay mahasahy mividy azy...

Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Mba ahafantarana ny teny marina sy ny diso momba ny fombam-pitenenana iray dia ilaina fantarina : inona no antony nahatonga io, oviana no nitranga. Raha hiroso amin'ny famoronana fombam-pitenenana ny olona iray dia tokony hifanaraka amin'ny sehatra, ny fotoana, ary mahatety vanim-potoana. Ohatra : Valala fiandry fasana. Biby tsy manan-doha tsy mandeha. Miteraha fito lahy, fito vavy... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.

♦ Nivoaka ny trano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra omaly, nandritra ny fivoriana fitsirihana ny antontam-baovao mirakitra ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny CENI Alarobia... ♦ Nihemotra ny daty hanaovana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpandraharahan'ny fonja amin'ity taona ity. Nitombo ny mpifaninana satria tafakatra ho sivy arivo... ♦ Nisy teratany vahiny vitsivitsy, tratra nitrandraka volamena tamin'ny fomba tsy ara-dalana, tao amin'ny reniranon'i Kamoro any Maevatananana. Nosamborina izy ireo, ary nogiazana ireo fitaovana marobe nampiasainy...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...