Ny Eglizy katôlika dia miara-dia amin'ny fiaraha-monina, indrindra amin'ny fitondram-panjaka, manentana ny olona hiaro ny zon'olombelona. Ny fanajàna ny zon'olombelona dia ahazoan'ny rehetra tombontsoa satria manamafy ny fitiavana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Talata 21 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)

♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ireo mpanao pôlitika mpanohitra, tao aorian'ny fanambarana natony. Milaza ny tsy handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI amin'ny zoma, izy ireo... ♦ Tsy nanakana ny dinika niarahan'ny CENI tamin'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena, nanoina ny antsony, ny fisitahan'ireo mpanohitra... ♦ Tsy voatana ny datin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, izay tokony hatao manomboka ny zoma izao. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny daty hanatanterahana izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...