Voajanahary ny fitsipika sy ny lalàna ho an’ny fiaha-monina, lalàm-pitiavana no fepetra: tsy ho an’Andriamanitratra sy ny olombelona fotsiny fa natao ho an’ny firahalahian’ny olombelona. Mifampiankina ny fandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Voajanahary ny fiaraha-monina noho izany voajanahary ihany koa ny fahefana ara-politika hitantanana ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alakamisy 16 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

♦ Antony iray mbola mampikatso ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, ny tsindry pôlitika, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana na ny CSI... ♦ Tsy voafaritra mazava tsara ny lalana mametraka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara, hoy ny Vondrona Miaro ny Tombontsoa sy ny Zon'ny Mpanjifa na ny GARDUC... ♦ Manodidina ny 110 taonina isan'andro, ny fako raofin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Toamasina, raha ny tatitra nataon'ny Ben'ny Tanana...

♦ Arahi-maso akaiky ireo hôtely ao amin'ny Distrikan'i Maroantsetra Faritra Analanjirofo ankehitriny, noho ny fiparitahan'ny sary tamin'ny tambazotra-tserasera maneho ny fisian'ny hôtely mametraka ny varika ho isan'ny sakafo amidy no antony... ♦ Mbola manohana ny fitondrana mijoro amin'izao ny antoko AVI hoy ny filoha nasiônaly teo aloha Ratsirahonana Norbert Lala. Izay no nambarany nandritra ny fihaonambem-paritry ny antoko natao tany Toliara... ♦ Misy fiatraikany amin'ny tahan'ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Covid-19 eto Madagasikara ny fiparitahan'ny tsaho samihafa eny anivon'ny fiaraha-monina. Mbola latsaky ny 10% ny taha eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...