♦ Mitsidika ny Vice-Province-n'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, i Mompera Alphose Owoudou, Mpanolotsaina jeneralin'ny Fikambanana Saleziana, misahana ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Afaka mandinika ny raharaham-pirenena ny FFKM, ka handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI, amin'ny 24 marsa izao, eny amin'ny Novotel... ♦ Notanterahana tamin'ny fomba ôfisialy tany Morondava androany, ny atrikasa fanombohana ara-teknika ny Tetikasa Titre Vert Menabe Antimena...

♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...

Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.

♦ Mitady hirona mankany amin'ny fampianaran-dratsy ireo mpanao pôlitika, raha tarafina amin'ny famoriam-bahoaka ataony ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena... ♦ Niravona ny disadisa misy eo amin'ireo vondrona mpaninjara solika sy ny fitondram-panjakana, ka hiverina hadoa hetra ireo mpaninjara solika, amin'ny herinandro... ♦ Tsy tokony hifanilika andraikitra amin'ny famahana ny olan'ny mpianatra eny Vontovorona ireo mpitantana, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny SECES...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...