Nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra, nomeny ny fanahiny ny olombelona rehetra. Ny fanavakavahana mahakasika ny zo fototra dia tsy maintsy foanana satria mifanohitra amin'ny fikasan'Andriamanitra. Efa ao anatin'ny fandaharan'Andriamanitra ny fahasamihafana mba handraisan'ny tsirairay avy amin'ny hafa izay ilainy, izany hoe hisian'ny fifamenoana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alahady 5 marsa 2023 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Taona A — Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.

♦ Nitombo hery ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika indray, ilay rivodoza Freddy. Manatona ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy izy, ary mahafaka 9 km isan'ora... ♦ Tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny fizarana ny fanampiana ho an'ny traboina any amin'ny Ditrikan'i Nosy Varika, hoy ny Tangalamena Ramandimbison Paul... ♦ Homena sehatra misimisy kokoa mandritra ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy, ny alarobia 8 marsa ho avy izao, ny fanabeazana ny ankizivavy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...