♦ Mihatra ny filazana miloko mavo na filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano any amin'ireo toerana manamorona ny reniranon'i Betsiboka araka ny fampitam-baovaon'ny météo androany tamin'ny 9 ora maraina... ♦ Nadikan'ny Praiministra Ntsay Christian ho endrika fanakorontanana ilay fikasàna hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta teny amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Miisa 570 ireo zaza very ary naharaisan'ny pôlisy fitarainana tamin'iny taona 2022 lasa iny... ♦ Mbola tsy nisy aloha ny fanambarana ôfisialy amin'ny handefasana ireo fiara mifono vy vita alemana any Ukraine, aorian'ny fivorian'ny vondrona tandrefana...
♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina amin'ny talata ilay rivo-doza Cheneso ary mihena hatrany ny heriny. Zazalahy kely herintaona sy tapany no maty ary olona iray tsy hita popoka vokatr'ity rivo-doza ity... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny praiministra Ntsay Christian rehefa tsy haino naneho hevitra nanoloana ilay fitsipaham-pitokisana tsy tanteraka teny anivon'ny antenimieram-pirenena farany teo... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka any Taolagnaro ao anatin'izao fotoam-pahavaratra izao... ♦ Voatendry ho praiministra vaovao any Nouvelle Zélange i Chris Hipkins...
Misy antony maromaro tsy mamparisika ny Kristiana tsy handeha hivavaka rehefa alahady : Mety ho tsy mazava ny fampianarana na tsy maharesy lahatra ; mety ho antony avy amin'ny mpitondra (fitondran-tena) ; mety ho hita taratra ny fitiavam-bola tafahoatra eo amin'ny mpitondra sasany ao amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco