Ialao ny tahotra sy ny ahiahy raha te hahomby amin'ny fitoriana ny Evanjely. Ampiasaina ara-drariny ny fitaovam-pifandraisana rehetra mba hitoriana ny Evanjely. Tsy atao alasafay na am-pahazarana fotsiny rehefa mitory, ary indrindra, mila mivoaka fa tsy mihiboka ao am-piangonana mba ho vavolombelon'ny Hafaliana entn'ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
Alahady 5 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona A — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Higadona eto Madagasikara rahampitso ireo mpilalao sy ny delegasiôn'ny Barea. Hisy ny fitsenana makotroka azy ireo ety Ivato mandram-pahatonga any Mahamasina, hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena... ♦ Mbola tsy voafaritra na hotanterahina amin'ity taona ity na tsia ny fifidianana Ben'ny tanàna, noho izy mifanindry amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Milaza ny tsy mahatapaka samy irery ny CENI, raha ny fanazavàn'ny filohany omaly... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe ny mponina avy amin'ny Kaominina Maromby, Distrikan'Amboasary-atsimo amin'ny afitsok'ireo Zandary anatin'ny CSAO izay mampandry tany any an-toerana, eto an-drenivohitra ny solonten'ny mponina nampahafantatra ny zava-misy...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco