♦ Namoizana ain'olona miisa 5, teo noho eo ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin'ny RN-12 mampitohy an'i Manakara sy Vohipeno, omaly tokakandro. Nisy koa ireo naratra... ♦  Araka ny tapaka nandritra ny Filan-kevitry ny ministra farany teo. Vonona handray ireo mpanao fitsirihana avy amin'ny Fanjakàna ny CNLS... ♦ Tontosa omaly talata 27 desambra tao amin'ny Sekoly ambony manofana ho pôlisy any Antsirabe ny lanonana fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho "Agents" sy "Inspecteurs de police", nisalotra ny anarana MAHEFA...

28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

Manana fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Tokana ny vahoaka nofidin'Andriamanitra : tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray. Noho izany, iombonana ny fahamendrehana satria samy nateraka indray tao amin'i Kristy. Tsy misy eo amin'ny Kristy sy ny Eglizy ny fanavakavahana. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Alarobia 28 desambra 2022 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...