Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Zoma 2 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

♦ Milaza ho tsy matahotra ny fitorian'ny GEL ny Transparency International eto amintsika, momba ilay raharaha fisiana kolikoly amin'ny fanondranana letchis. Efa nisy fanadihadiana 3 taona natao, talohan'ny namoahana iny fanairana iny, hoy Ramatoa Ketakandriana Rafitoson... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Mbola lavitra ezaka ny handresentsika ity aretina ity amin'ny 2030... ♦ Nitory ny fitondrana Malagasy sy ireo Andrim-panjakana rehetra tamin'ity Repoblika fahefatra ity, ny fikambanana Fiverenana Andoharano...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sofonia 3, 1-2. 9-13

Omena ny mahantra rehetra ny famonjena avy amin’ny Mesia.

Izao no lazain’ny Tompo:
Loza ho an’ilay miodina sy voaloto,
dia ny tanàna fampahoriana!
Tsy nisy feo nohenoiny akory,
tsy nandray anatra izy,
tsy niankina tamin’ny Tompo,
tsy nanatona an’Andriamaniny.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio
hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo
sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko,
hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Amin’izany andro izany,
tsy ho henatra ho anao intsony
ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko;
satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao
ireo izay nifaly tamim-pireharehana;
ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,
na hilaza lainga,
ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23

Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia!

Mibanjìna Azy, fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 21, 28-32

Tonga teto i Joany, fa ny mpanota no nino azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”

Hoy ireo:

“Ny lahimatoa”,

dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...