♦ Mila hovaina ny lalàna mifehy ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko HVM. Nambaran'ity antoko mpanohitra ity fa mampiahiahy ny fahaleovan-tenan'ny CENI ka mila ifampiresahana... ♦ Nihaona manokana tamin'ny filoha Joe Biden mivady ny filoham-pirenena malagasy sy ny vadiny. Anisan'ny voaresaka ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy i Etazonia... ♦ Nosamborina ilay miaramila miasa eo anivon'ny Fiadidiana ny repoblika, ka nitifitra sivily teny Ankadindratombo. Mandeha ny fanadihadiana momba azy amin'izao...

♦ Nifarana omaly rehefa naharitra 3 andro tany amin'ny diôsezin'Ambatondrazaka ny fankalazàna ny andron'ny Lahika. Nandefa hafatra tamin'izany ny vaomieran'ny Eveka momba ny asam-pamonjena ny Lahika na ny CEPAL... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy tany Ijely Miarinarivo ny sabotsy teo ny taom-pianarana vaovao ho an'ny sekoly katôlika manerana ny nosy... ♦ Naneho hevitra momba ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny faran'ny herinandro teo Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Miantso ny hisian'ny fitoniana ity filoham-pirenena teo aloha ity, manoloana ny ambarany fa fanenjehan'ny fitondrràna ireo tsy mitovy hevitra aminy... 

26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.

Ny zanaka hendry no harena voalohany ho an'ny ray aman-dreny. Zanaka niriana sy vokatry ny fitiavan'ny mpivady ary araka ny sitrapon'Andriamanitra no anisany manampy be dia be amin'ny fitaizana ny zanaka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...