Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13
♦ Miverina manomboka androany 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sarobidy any ivelany, araka ny fampahafantarana nataon'ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny Mponina, raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny Ministra Princia Soafilira, tamin'ilay raharaha fanapohana solika ; ary manana hatramin'ny rahampitso ilay gazety nilaza izany mba hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana maherin'ny arivo, any amin'ny Distrikan'Andilamena, no nisitraka vary tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakana...
♦ Tokony hanaiky hiditra amin'ny fikaonandoham-pirenena ny fitondrana, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface. Nambaran'ity mpanao politika ity fa mila fanorenana ifotony ny Lalam-panorenana sy ny rafi-panjakàna i Madagasikara, raha ny zava-misy amin'izao... ♦ Hikaroka fanafody hitsaboana ny homamiadana sy ny tosi-drà ny IMRa. Eo amin'ny telo taona eo farafahakeliny no fotoana ilain'ity ivo-toerana ity amin'ny fikarohana izany fanafody izany... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena ny Barea U-23 manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao. Lalao mandroso sy miverina, hifanandrinana amin'i Seychelles ho an'ny fifanitsanana CAN 2023 eo amin'io sokajin-taona io...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco