Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...
♦ Notsipahan'ny ministry ny fitsaràna ny filazana fa ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny fitsaràna no nahatonga ny tranga tany Ikongo. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny fitondram-panjakana hoy izy... ♦ Mitokona ireo mpiasa contractuel eo anivon'ny INSTAT nanomboka omaly. Nakaton'izy ireo ny toeram-piasàny eny Anosy, ka tsy maintsy namoha ny vavahady ny tompon'andraikitra... ♦ Olona 500 no hahazo asa mendrika amin'ny fanadiovana ny lakan-drano ny Canal GR mirefy 14km ao an-drenivohitra. Tantsaha 70.000 isa ihany koa no hovoavatsy rano amin'ny tanimbarin'izy ireo amin'izao tetik'asa izao...
06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.
Maro ny hevitra mifamahofaho amin'izao fotoana izao manoloana ny teny hoe "fianakaviana", indrindra hatramin'izay nidiran'izao tontolo izao anatin'ny sehatry ny fanatontoloana. Noho ny filàna ara-nofo sy ny tombontsoa ho an'ny tena dia misy ireo miara-miaina toy ny mpivady, ka mamorona "fianakaviana" na inona na inona karazana misy azy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco