♦ Mihazo ny ao Mandaniresaka hanaovana ny lanonam-panokafana sy ny Sorona Masina fanokafana, amin'izao ora izao, ireo tanora mpivahiny, hiatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 any Antsirabe. Eny an-dalam-be, misy ny fanentanana momba ny tontolo iainana, atrehin'izy ireo... ♦ Miray fo amin'ny vahoaka any Ikongo ny governemanta manontolo, hoy ny mpitondra teniny. Mila tezaina isika amin'ny fanajàna ny tany tan-dalana hoy ny ministra Lalatiana Andriatongarivo... ♦ Hirosoana tsy ho ela ny fifidianana ireo mpikambana tompon-toerana eo anivon'ny Antenimieran'ny varotra sy ny Indostria manerana an'i Madagasikara...
♦ "Mitsangàna fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao", Lohahevitra hifantohan'ny JMJ Mada andiany faha-10, hanomboka anio any Antsirabe... ♦ Azo lazaina ho efa milamina amin'ny ankapobeny ny any Ikongo, nidina tany an-toerana omaly ny Praiministra Ntsay Christian sy ny ministra maromaro, nanatanteraka ny fampihavanana sy nametraka ny fitoniana... ♦ Natomboka omaly teny Alarobia ary hitohy androany ny atrikasa fampahafantarana ny drafitrasa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ho an'ny faritanin'Antananarivo...
31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.
31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco