24 aogositra — Niaina niaraka tamin’i Jesoa i Barthélemy izay resahana amin’ity andro androany ity, na antsoina koa hoe Nathanaël. Ny Mpamonjy no niantso azy hanara-dia azy.

Antsoin'ny katesizin'ny Fiangonana Katolika ho " Mpandraharaha voahosotra" ireo nanokan-tena hanompo ny Eglizy ka " manao ny asany eo amin'ny Vahoakan'Andriamanitra amin'ny fampianarana, ny fanompoam-pivavahana ary fitantanana amin'ny maha-Mpiandry ondry". Misy ambaratonga telo izy : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Katesizy  momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alarobia 24 aogositra 2022 — Masindahy Barthélemy, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51

♦ Hatsaraina, hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alaln'ny tetikasa Prodigi, ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena eto amintsika... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana mahefa mba hanampy azy ireo, ireo tra-boina vokatry ny firehetan'ny trano tao amin'ny Fokontany Analanjavidy, any amin'ny Distrikan'i Mananjary... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika, Distrikan'Amparafaravola androany maraina, ny jiolahy mitam-piadiana, mpaka an-keriny, miisa fito notarihan-dRakipikipy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...