Tsara ny manamarika fa ny fahamasinana misy fetra dia tsy azo lazaina ho fahamasinana velively fa fahamasinana mandalo no mety ilazana azy. Ny tena fahamasinana dia izay hiainana maharitra ka hahitana hafaliana na dia hisedrana ny mafy indrindra aza. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P.Wagner Randriamampiandry.

Alahady 21 aogositra 2022 — Alahady faha iraika amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

Ny toerana misy ny voa : ao ambadiky ny kibo, amin'ny ilany avia sy havanan'ny hazon-damosina. Miisa roa ny voa amin'ny ankapobeny fa misy ihany ny olona tsy manana afatsy iray, anefa mahavita ny asany tsara ihany io taova io. Ny asan'ny voa : manivana ny singa entin'ny ra, mandanjalanja ny filàna rano, mitazona ireo mineraly ilain'ny vatana, mandanjalanja ny asidra ilain'ny vatana, mamokatra hormnonina. Fambar'aretina : mipipi ra, mandroatra ny pipi, mahatsiaro reraka, manaintaina ny faritry ny kibo na ny lamosina, marary ny vanin-taolana, te hivalan-drano matetika...

♦ Tsy maharesy lahatra ny antoko Fiombonana ny fanazavan'ny tompon'andraikitra momba ny fahasahiranan'ny any amin'ny faritra samihafa amin'ny fanjifana ny gasoil. Tombanan'izy ireo ho vokatry ny olan'ny mpandraharaha sy ny fanjakàna no antony... ♦ Kaominina 28 manodidina an'Antananarivo renivohitra sy ny boriborin-tany efatra ao an-drenivohitra no hisitraka ilay tetik'asa GUGA natomboka omaly. Famatsiam-bolan'ny AFD mitentina 5 tapitrisa Euro... ♦ Nidina ny taham-pahafahana bakalôrea ho an'ny teto amin'ny faritanin'Antananarivo tamin'ity taona ity. 41,34% izany raha toa ka nahatratra 58,48% izany tamin'ny taona lasa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...