19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray  ny rahalahiny.

Tsy tonga ho azy ny fahamasinana sy ny fahalavorariana fa tsy maintsy misy ezaka, avy amin'ny tsirairay amin'ny "fitiavam-bavaka", amin'ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana. Izay no mamaritra ny lalana hahatongavana amin'io antso io. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

♦ Mpiasan'ny UNESCO tany an-dafy fa tsy olona eto Madagasikara no naka, ka niparitahan'ilay sary misy ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filoham-pirenena, nandritra ny diany tany ivelany. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Talen'ny kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Mbola manamafy ny antsony hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika. Nambarany fa zava-dehibe ny mifampiresaka, mialohan'ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Handray fepetra hisorohana ny tsy fitovian-kevitra miainga amin'ny firafitry ny lisitry ny mpifidy ny CENI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...