16 aogositra — Mpanjaka voalohany tao Hongrie i Masindahy Étienne, avy amin’ny dinastie Árpád izy, Vajk no tena anarany, zanak’i Géza. Nibebaka niaraka tamin’ny rainy izy teo amin’ny faha-10 taona, izany hoe ny taona 985, ary nandray ny anarana hoe Étienne, na István amin’ny fiteny hongrois, tamin’ny batemy.
Araka ny voalaza ao amin'ny Soratra-Masina : lehilahy no eo amin'ny fisoronana. Zava-dehibe ny nataon'i Jesoa, anefa afaka mandalina ny tenin'Andriamanitra ny vehivavy. Asan'ny Trinite Masina ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 16 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30
15 aogositra — Ny Assomption dia fanamarihana ny nanalana na ny nanesorana an’i Masina Maria tety an-tany ho any an-danitra, vatana sy fanahy. Nanomboka tamin’ny kônsily tao Ephèse tamin’ny taona 431 izay nanambarana an’i Masina Maria ho renin’Andriamanitra ny fankalazana.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco