Ny antso izay voaresaka ao amin'ny Levitika ihany no averin'i Jesoa amintsika, saingy ovainy fomba filaza fotsiny ao amin'ny Matio 5,48: "aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Noho izany dia antso mitovy ihany no hiantsoana antsika dia ny ho masina sy ho lavorary. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14
♦ Mbola ampy mandritra ny 25 andro ny tahirin-tsolika misy eto Madagasikara, ka tsy tokony hisy fikoropahana, hoy ny Minisitry ny Angovo. Nanazava ny momba ny tsy fisian'ny Gasoil tany amin'ny faritra maro koa ny Minisitra androany... ♦ Nampakatra saram-pianarana avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina ao an-drenivohitra, ho an'ny taom-pianarana ho avy io. Anisan'ny ambarani'reo mpitantana ho anton'izany ny fisondrotry ny vidim-piainana... ♦ Niaka-bidy ny hena eny an-tsena amin'izao. Tafakatra 16000 Ariary ohatra ny henan-kisoa ao an-drenivohitra...
♦ Misy manafina any an-trano ny solika, any Betafo, hanaovana avaro-maizina. Tonga hatrany amin'ny 7000 Ariary ny vidin'ny Gasoil 1 litatra... ♦ Any Atsimo-Atsinanana indray no manjaka ankehitriny ny halatra zaza varira na soba, araka ny fiteny any an-toerana... ♦ Kaominina 12 ao anatin'ny Distrikan'i Farafangana sy Vondrozo no afa-pahasahiranana tanteraka, noho ny fahavitan'ny lalana 25 km mahery, mampifandray azy ireo. Manodidina ny 500 isan'andro ireo olona nahazo asa tany an-toerana, tamin'ny fanamboarana izany...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco